Tia Tanindrazana : Politique & Diplomatie

Raharimanana MamyHampiasa ny politikan’ny Baiboly

Raharimanana MamyHampiasa ny politikan’ny Baiboly

Hamerina ny hasin’ny maha olona fa tsy ny vahoaka Atoa Raharimanana Mamy, kandida hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin’ity taona 2018 ity.

Ny politikan’ny Baiboly no hampiasainy hahafahana manavotra an’i Madagasikara, araka ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety. Mpino eo anivon’ny fiangonana Loterana tsotra ny lehilahy, manan-janaka telo sy zafikely roa ary manampahaizana manokana amin’ny informatika sady mpandinika ny fiarahamonina. Izy no angady nananana sy vy nahitana ny «developpement d’application» ary niasa tamina minisitera iray nikirakira izany am-polony taona maro. Nomarihiny manokana fa efa ela ny lehilahy no nikasa ny hiresaka tamin’ireo filoha teo aloha sy ny ankehitriny ( 2006-2013) mba hanavotra ny Malagasy amin’ny alalan’ilay fandaharan’asany manokana saingy tsy nety tanteraka mihitsy. Ankehitriny ny lehilahy efa vonona tanteraka, hatolotry ny antoko politika misy azy MAdagasikara Endrika VAovao na MAEVA.

Pati

Ajouter un commentaire

Cliquez ici pour ajouter un commentaire