Tia Tanindrazana : Politique & Diplomatie

Paikadim-panagiazan’ny HVMMiha mafy hatrany

Mbola mafana eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara amin’izao ny vaovao mikasika ilay lalàna fehizoro miisa 3 mikasika ny fifidianana nivoaka ny fiandohan’ny herinandro teo.

Voaresaka tamin’izany ny mikasika ny tsanganana tokony hananan’ireo kandida hilatsaka rehetra. Toy ny kandida ho filoham-pirenena ihany dia mila atolotra antoko politika koa ireo kandida ho depiote na mila sonia miisa 10 avy amin’ireo tompon’andraiki-pahefana (ben’ny tanàna) ao amin’ilay toerana hilatsahana. Izany hoe nosorohana ny filatsahan’ireo kandida tsy miankina. Hita ho miha mafy hatrany ny paikadim-panagiazan’ny antokon’ny fitondrana amin’ireo antoko sy vondrona hafa, indrindra moa fa ireo itoerana kandida goavana. Toa miharihary ny kajikajy mba hahatafiditra mora foana ireo kandidam-panjakana sy izay kandida mety hipoipoitra tampoka hanohana ny fitondrana. Saika kandida tsy miankina fahiny avokoa ny ankamaroan’ireo depiote HVM ao anaty fitondrana amin’izao fotoana. Hita ho miomana ny hahazo ny maro an’isa anaty fahefana mpanao lalàna, araka izany, ny HVM ary, mazava ho azy, hanao izay handresen’izy ireo amin’ny fomba rehetra ary raha ny tiany aza angamba dia fitondrana 100% HVM no hitsangana eto ato anatin’ny 5 taona manaraka.

J. Mirija

Ajouter un commentaire

Cliquez ici pour ajouter un commentaire