News Mada : Criminalité & Stupéfiants

Namoaka basy saika hitifitra : lavo ilay jiolahy, ny an’ny zandary no tonga aloha

Nirefodrefotra ny poa-basy teny Andraharo, omaly hariva tamin’ny 4 ora sy 30 mn. Jiolahy iray maty voatifitry ny zandary raha iny namoaka basy saika hitifitra iny. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, misy ifandraisany amin’ilay jiolahy efa nidoboka eny Tsiafahy, ilay nahatrarana basy Mat 49 tratra teny 67 ha ity jiolahy lavon’ny zandary ity. Nitohy hatrany ny fanadihadiana nataon’ny zandary taorian’ny nahatrarana an’i Elysé (ilay tratra teny 67 ha). Anaran’olona maromaro no notononin’i Elysé nandritra ny famotorana azy ka isan’izany ity jiolahy maty ity sy ny namany niaraka taminy. Nametraka ny vela-pandrika ny zandary ka jiolahy iray hafa azo sambo-belona teny Ambohidratrimo, afakomaly. Niainga avy amin’ity jiolahy tratra ity ny vela-pandrika saika hisamborana ireo namany teny Andraharo. Nasaina nifanome fotoana teny an-toerana ilay jiolahy tratra sy ireo namany, kanjo efa niatrana teny ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohidratrimo. Tonga tokoa ireo jiolahy nandeha moto, saingy lasa nitsoaka ny iray raha vao nahatazana fa misy mikasa hisambotra ry zalahy. Taraiky teo kosa ny iray raha nikasa hifampitifitra tamin’ny zandary. Tratra tany aminy nandritra ny fisavana ny basy vita gasy sy balana calibre 12 ary rongony. Nitifitifitra teny am-pitsoahana kosa ilay namany nandeha moto.

Jean Claude