News Mada : A la une

Andasibe : babakoto 10, simpona iray, novonoin’ny mpihaza

Andasibe : babakoto 10, simpona iray, novonoin’ny mpihaza

Araka ny vaovao nampitain’ny namana mpanao gazety avy any Andasibe, mirongatra ny famonoana varika, biby arovana tandindomin-doza ahina ho lany tamingana any Andasibe Moramanga, araka ny tatitry ny filohan’ny VOI Firaisankina (Vondrona olona ifotony), Toto Jean Pierre. Nanao vela-pandrika ireo olon-dratsy ny VOI Firaisankina sy ny zandary any Andasibe Moramanga, ny alarobia 28 febroary teo, tany anaty alan’Iaroka any Antavolobe Andasibe, 14 km miala ny tanànan’Andasibe. Tamin’ny 5 ora maraina, hita ny toerana filasin’izy ireo, saingy lasa nihaza ireo jiolahy. Nahitana fatina babakoto dimy, vilany, sotro, lamba firakotra, afokasoka marobe (fanamboarana vanja) tao anaty lasy.

Filoha lefitra VOI ilay jiolahy

Tonga teo an-toerana ireo jiolahy miisa telo tamin’ny 1 ora tolakandro. Nivoaka ny zandary nanambana basy azy ireo, saingy tafatsoaka ny roa lahy. Tratra kosa ny lehilahy iray, izay fantatra fa filoha lefitry ny federasiona VOI Miaradia ihany ity olon-dratsy ity, azo adika ho amboadia mitafy hodin-janak’ondry. Tratra ny basy marika elite vita frantsay, basy vita gasy iray, miaraka amin’ny bala miisa 19, ka tsy mbola nampiasaina ny 8. Mitotaly 10 ny varika babakoto novonoin’izy ireo, miampy simpona (propithecus diadema) iray, anisan’ny ahina ho lany tamingana.

Njaka A.