News Mada : Santé et Bien être

Kambana telo – Toamasina : nitondra fanampiana ny préfet

Kambana telo – Toamasina : nitondra fanampiana ny préfet

Tsy niandry ela fa taorian’ny fivoahana tamin’ny alalan’ny haino aman-jery momba ny fangatahana tolo-tanana nataon’ny ray aman-drenin’ ilay zaza kambana telo mianadahy, nandray ny andraikiny avy hatrany ny prefektioran’i Toamasina e.

Nitondra ny anjara birikiny ary nanolotra lelavola 500.000 Ar, vary fotsy iray kitapo miampy bodofotsy ho an’ny ankizy telo mianadahy sy ho an’ny reniny ary kojakoja maro samihafa fikarakarana ankizy menavava izy tamin’izany.

Sajo