News Mada : Politique & Diplomatie

Fiainana antoko : nihaona amin’ny Tim Avaradrano Ravalomanana

Fiainana antoko : nihaona amin’ny Tim Avaradrano Ravalomanana

Ankoatra ny fitsidihana tanàna na kaominina efa nahazatra azy, nihaona sy nifampiarahaba amin’ny mpikatrika Tim Avaradrano ny filoha nasionalin’ny Tim, ny faran’ny herinandro teo.

Ankadikely, Ilafy, Sabotsy Namehana, Avaradrano sy ny manodidina. Samy tanàna notsidihin’ny mpanorina ny Tim avokoa ny asabotsy teo. Fihaonana mivantana amin’ny vahoaka ny nataony, nahafantarana bebe kokoa ny tranga iainan’ny mponina eny ifotony. «Henoko ny fitarainanareo amin’ny vidim-bary. Hitondra fanantenana aho ary hitondra vahaolana. Tsy maintsy handresy isika», hoy izy amin’ireo tanàna nolalovany. Nitohy amin’ny fihaonany amin’ireo mpikambana eo anivon’ny antokony ho an’Avaradrano, tetsy amin’ny Fofikri Ilafy, izany avy eo. Nisy ny lahateny nifandimbiasana sy ny fampitana hafatra. Teo koa ny toromarika ho an’ny mpikambana mialoha izao hiatrehana ny fifidianana izao. Manoloana izao antsojay sy enjika na koa barofo atao aminy izao, mazava ny hafatry ny mpanorina ny Tim. «Aza matahotra, minoa fotsiny ihany», hoy izy.

Hifamotoana ao Paris ny TTMR

Etsy andaniny, hihaona any Paris Frantsa kosa ny asabotsy 17 febroary izao ny Tia tanindrazana manohana an’i Marc Ravalomanana (TTMR). Ahitana ireo fikambanana sy vondron’olona any ivelany indray izy io. Tsy manana antoko sady tsy mpikambana eo anivon’ny antoko Tim. Mitovy amin’ny Komity manohana an’i Marc Ravalomanana (KMMR) aty an-tanindrazana. Anisan’ny votoatin’ny fihaonana ny hijerena ny fomba ifanohanana sy ifanampiana hiatrehana ny fifidianaan filoham-pirenena eto amintsika amin’ity taona ity. «Hataontsika ny hampandresena ny filoha Ravalomanana», hoy ny fanambarana.

Synèse