News Mada : Criminalité & Stupéfiants

Fanafihana fiara : olona fito voasambotry ny BC2 Anosy

Ny zoma lasa teo, olona fito voasambotry ny polisy misahana ny ady heloka bevava, Anosy sakelika faharoa na BC2 noho ny resaka fanafihana fiara sy fangalarana ny entana tao anatin’ilay fiara voatafika. «Ny alakamisy alina hifoha zoma ary no fantatra fa nisy fiara nitondra pile énergy miisa 960 baoritra mahery. Taorian’ny fikarohana nataon’ny polisy avy ao amin’ny BC Anosy, ny 9 febroary maraina no hita nijanona teny amin’ny faritra Ambohimangakely ilay fiara izay voalaza fa very nandritra ny fanafihana ny alina ary efa tsy nahitana na inona na inona intsony tao anatiny», hoy ny polisy.

Tsy hita koa ny mpamily ilay fiara. Nitohy hatrany ny fikarohana tamin’ny alalan’ny fanarahana ny diana fiara k,a taxi iray no tra-tehaka teo am-pamatrarana pile energy miisa 16 baoritra tao amina garazy iray tany anaty ala, teny Ambohimangakely. Rehefa natao ny famotorana ny mpamilin’ ilay taxi, io indray avy eo no nanoro ny namany ka kamiao roa no tratra teny Ankadindramamy teo am-panaovana « déchargement » ana pile energy amin’ny baoritra maromaro. Nitohy hatrany ny fikarohana ka tokantrano iray tsy lavitra teo no nosavaina ary nahatrarana kamiao roa hafa izay mbola nanao « chargement » ana pile tamin’ny baoritra maromaro ihany koa. Hatreny Andraisoro mbola nahitana baoritra maromaro koa. 615 baoritra no tratra raha toa ka 960 no very. «Ilay mpamilin’ilay fiara voatafika no mpiray tsikombakomba amin’ireo olon-dratsy, ary izy no mody nilaza sy nampandre fa nisy nanafika tany Manjakandriana», hoy ny polisy.

Yves S.