News Mada : Culture, Art & Loisirs

Mivoy ny Rn’b : anisan’ireo miaka-daza i Dalvis

Tsara iny taona nivalona iny ho an’i Dalvis. Anisan’ny nisongadina ilay hirany «Economiser», niarahany tamin’i Jazz MMC, ary nahazoany ny fankasitrahana «Mozika duo», nandritra ny «RDJ Mozika» notontosaina ny asabotsy lasa teo.Tsy mahagaga, satria nisy asa be tao ambadik’izay fankasitrahana azon’i Dalvis izay. Niezaka tamin’ny fampahafantarana ny sanganasany ity mpanakanto zanak’Antsiranana ity, nanomboka ny taona 2008. Anisan’ny nahafantarana azy voalohany ilay hira «Aza mamaraha», nentiny nitety sehatra lehibe, toy ny «Festival Donia» tany Nosy Be.Anisan’ny sehatra izaran’i Dalvis ny sanganasany ho an’ny mpankafy ny «internet», satria tsy mbola namoaka rakikira rahateo izy. «Ao anatin’ny fandraisana feo ny hira vaovao izahay izao, mandra-pahatonga ny fitetezam-paritra. Maromaro ny daty efa fantatra amin’ity, eto sy any ivelany», hoy ny fanazavana nomen’i Dalvis, nandritra ny fihaonana fohy taminy, tamin’ny «RDJ mozika».

Zo ny Aina