News Mada : A la une

Fahatsiarovana ny 7 febroary : fanateram-boninkazo fotsiny… Voarara ny fivorivoriana

Fahatsiarovana ny 7 febroary : fanateram-boninkazo fotsiny… Voarara ny fivorivoriana

Tsy ilana fahazoan-dalana ny hetsika fanamarihana ny faha-9 taon’ny «Raharaha 7 febroary», anio eny Antaninarenina-Ambohitsorohitra. Na izany aza anefa, voarara ny famoriana vahoaka na lahateny na kabary maharitra. Mijanona ho amin’ny fametrahana fehezam-boninkazo fotsiny ihany. Mirava avy eo rehefa vita izany, araka ny toromarika avy amin’ny prefektioran’Antananarivo. Hitazana sy hanara-maso akaiky ny hetsika rehetra kosa ny eo anivon’ny Emmo/Reg, toy ny efa mahazatra ity fitondrana ity. Tahaka ny isan-taona, ho avy hanatitra fehezam-boninkazo eny an-toerana ny avy amin’ny Mapar. Hitarika izany ireo depiote tarihin-dRazanamahasoa Christine. Ireo avy amin’ny AV7 andaniny sy ankilany avy, miara-dia amin’ny fitondrana sy ireo miray lalana amin’ny mpanohitra.

Hanampy izany ny eo anivon’ny Master’s, mpiara-dia amin-dRamaroson Alain sy ny avy amin’ny Monima, tarihin’i Monja Roindefo.

Tombanana anefa fa ho maro ireo olona ho tonga eny an-toerana. Ao ireo niharam-boina sy ireo nitarika tamin’izany. Fa eo koa ireo liana fotsiny ihany na koa te hahita indray ireo lohandohany mpitarika. Manampy ireo ny olon-tsotra sasany leo izao fitondrana izao : vidim-piainana, fahantrana, tsy fandriampahalemana… Hifangaro ao avokoa ireo satria zara aza aloha misy fivorivoriana tahaka izao indray.

Randria