Tia Tanindrazana : Sport

Rugby seksiona Antananarivo RenivohitraMiato kely aloha taorian’ireo lalao ampahavalon-dalana faharoa

Tontosa tamin’ny an-tsakany sy an-davany ireo lalao rugby ampahavalon-dalana andiany faharoa nokarakarain’ny seksiona Antananarivo Renivohitra notontosaina tetsy amin’ny kianja Malacam Antanimena ny alahady 27 janoary 2018 teo. Tontosa tamin’ny an-tsakany sy an-davany ireo lalao rugby ampahavalon-dalana andiany faharoa nokarakarain’ny seksiona Antananarivo Renivohitra notontosaina tetsy amin’ny kianja Malacam Antanimena ny alahady 27 janoary 2018 teo.

Araka ny fivoriana notinapak’ity seksiona Antananarivo Renivohitra ity izay nivory toy ny mahazatra azy omaly alatsinainy 28 janoary dia miato kely aloha ny fanohizana ny fifaninanan-dry zareo mba hahafahan’ny eo anivon’ny Analamanga Rugby miroso amin’ny fiadiana ny «Coupe d’Analamanga 2017» manomboka amin’ny alahady 4 febroary 2018.

Voka-dalao tetsy Malacam :

Csa 15 – 10 Tafia

Cfa 13 – 11 Espoir

Hiza 17 31 – 06 Fca

XV Volks 15 – 08 Jamaïc

Cosm du Sud 12 -06 Usa Ankadifotsy

Ntsoavina Evariste