News Mada : Archives

«Salon M’Autoccaz» : fihaonan’ny mpankafy fiarakodia sy moto

Hotanterahina,  ny zoma hatramin’ny alahady izao, etsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina, ny « Salon M’Autoccaz, kit et accessoires», hetsika mahakasika ny fiarakodia sy ny moto, karakarain’ny TH Event. Manodidina ny 30 eo ho eo ny tranoheva hampiranty sy hampahafantatra ireo kojakoja ilaina, amin’izany. Fotoana iray ifanakalozan-kevitra sy traikefa eo amin’ny matihanina sy ny samy mpankafy fiarakodia na koa moto io. Ho marobe mantsy ireo mpandraharaha eo amin’ity sehatra ity ho avy ao.

Tanjona ny hanome fahafaham-po sy hanampy ireo olona sahirana amin’ny fikarohana kojakoja, araka ny fanazavan-dRakotomanga Haingonirina, tompon’andraikitry ny TH Event. Nambarany fa ezahina hatao tsara io andiany voalohany io mba hahafahana mikarakara ny manaraka ary kasaina hatao isan-taona izany. Raha ny fantatra, hisy ihany koa fampisehoana fanamoriana fiara sy moto amin’ny halavirana 300 metatra. Misy ny loka, ho an’ireo mpandray anjara sy mpandresy. Ny  asabotsy sy alahady kosa, hisy ny zumba hiarahana amin’i Bodohasina.

 Landy R.