Tia Tanindrazana : Archives

Iza sa ny inona

Iza sa inona no manetsika ireto mpanao fihetsiketsehana miha mitombo efa ho isan’andro tato ho ato ireto Ny mahagaga dia tsy ny fetezan-javatra efa am-polony taona maro daholo no izao vao hifandimbiasam-pilazana ho tsy azo ekena intsony.

Rahoviana indray izao ny mpitarika azy ireo no hahazo tampimaso dia hangina am-bolana maro  Tsy mahagaga raha tsy nisy nahomby na nahomby ihany fa mora rava ny tolona nisy teto hatramin’izay. Tsy mba azo akana lesona ve ny anton’ny fiovan’ny tantaran’ny frantsay  taorian’ny nanonganan’izy ireo mpanjaka tamin’ny taona 1879 Toy izany koa ny tolon’ireo tanora amerikanina ny taona 1970 raha tsy nanaiky ny fanjakan-jokiolona tafahoatra tamin’ny fotoan’androny. Na ny filoha alemana teo aloha , Adolph Hitler, izay niezaka hampanjaka ny taranany mandritry ny arivo taona aza vitan’ny vahoaka tia tanindrazana tany an-toerana ihany ny nanapaka ny fikasany tao anatin’ny 13 taona monja. Dia tsy nisy azo nakana lesona hitoerana amina vahaolana maharitra ve ireny fa dia satry foana hiaina amina krizy lavareny eto Inona moa no nahatonga an’i Afrika atsimo ho amin’ny toerany amin’izao fotoana raha tsy ny tolona madiodion-dry Nelson Mandela Inona koa no nahatonga an’i Burkina faso ho amin’ny toerany ankehitriny raha tsy ny famoizan’ain’ny mpitari-tolona Thomas Sankara

Mirija