News Mada : Archives

Tsy tontan’ny ela : hamerina ny hiran’i Mike Brant i Ony

« Que tu es belle », « A corps perdu », « Laisse-moi t’aimer », « L’amour c’est ça l’amour », sns. Sanganasan’i Mike Brant, izay tsy tontan’ny ela ireny. Anisan’ireo mpankafy an’ity mpanakanto ity i Ony Rakotomalala, fantatry ny rehetra amin’ny maha mpihira ao amin’ny tarika Zandry Gasy azy.« Mpankafy hatramin’ny fahakely aho, satria notaizan’ny ray aman-dreny tamin’ny hirany koa. Manindrona ny tononkirany, izay manodidina ny fitiavana avokoa», hoy ny filazan’i Ony. Araka izany, hisy ny seho izay hameloman’ity mpanakanto ity ny sanganasan’i Mike Brant. Hotontosaina anio zoma 28 avrily izany, manomboka amin’ny 8 ora alina, etsy amin’ny Café de la Gare Soarano.Raha ny fanazavan’i Ony hatrany, haharitra ny fiarahana, satria manomana hira 37 any izy amin’io fotoana io. «Haverina amin’ny fomba nanaovan’ny mpamorona azy ihany izany», hoy i Ony. Hanampy azy eo amin’ny fitendrena i Mika sy i Luc.

Zo ny Aina

Ajouter un commentaire

Cliquez ici pour ajouter un commentaire